Sosialy

Banga 71MW ny famokaran’ny jirama Voatery manapaka adin’ny 2 isan-kariva…


  • Zoma 04 Desambra 2020

Mandalo fahasahiranana ny famatsiana herinaratra eto amin’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo

 

 

noho ny fihenan’ny rano mampiodina ny toho-dranon’Andekaleka, izay miantoka ny iray ampahatelon’ny herinaratra vatsiana eto amin’io tambajotra io, hoy ny Jirama. Amin’izao fotoana izao, zara raha mamokatra 22MW ity tobim-pamokarana herinaratry ny JIRAMA izay mandeha amin’ny rano ity, raha tokony ho 93MW izany amin’ny mahazatra. Raha atao ny kajikajy dia banga 71MW izany ny famokaran’ny Jirama, ka manery ny JIRAMA hanapaka 25MW (10%-n’ny filàna amin’ny hariva) mandritra ny adiny 2 eo ho eo na dia efa nampiasaina daholo aza ireo milina rehetra mpamokatra herinaratra eo am-pelatanana, hoy ny Jirama. Isan’ny tapaka amin’izany: ny ilany Atsimo: Andoharanofotsy sy ny manodidina; ny ilany Atsinanana: Ambohimangakely sy ny manodidina; y ilany Avaratra: Analamahitsy sy ny manodidina; ny ilany Andrefana: Itaosy sy ny manodidina ary Analakely sy ny manodidina; ny ilany Afovoany: Analakely sy ny manodidina. Vahaolana tsy maintsy hirosoana, araka izany ny fandatsahana orana any amin’ny sahandriakan’Andekaleka ary efa miomana amin’izany ny JIRAMA, miaraka amin’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro, raha ny nambaran’io orinasa io omaly hariva. Tanterahina avy hatrany izany vantany vao feno ny fepetra rehetra handatsahana ny orana. Ny JIRAMA dia miala tsiny amin'ireo mpanjifa izay hiaran'ny fahatapahana, hoy ny fialan-tsiny mahazatra. Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT