Hotanterahina ny alatsinainy 17 ka hatramin'ny 21 aogositra ho avy izao manomboka amin’ny fito ora maraina ny fanadinana bakalorea ankapobeny sy ny bakalorea teknika fihodinana voalohany.
Ny alatsinainy 24 ka hatramin'ny 27 aogositra kosa no hotontosaina ny bakalôrea teknika fihodinana faharoa raha araka ny tafa nifanaovan’ny minisiteran’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana siantifika tamin’ny mpanao gazety omaly. Efa nanomboka tamin’ny 20 febroary teo tamin’ny 8 ora maraina eny amin’ny “Service du baccalauréat” manerana ny oniversite ny fisoratana anarana , ary hifarana ny alakamisy 30 aprily 2020 amin’ny 6 ora hariva ho an’ireo izay liana amin’izany. Tsy hisy ny fanomezana alalana manokana ivelan’ireo daty voafaritra ireo, hoy hatrany ny fanazavana azo omaly. Mikasika ny saram-pisoratana anarana dia fantatra fa 15 000 Ar izany ho an’ireo mpiadina atolotry ny sekoly, 50 000 Ar ny mpiadina misora-tena, raha 100 000 Ar ny mpiadina teratany vahiny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.