AVARATETEZANA AMPITATAFIKA

Nahazo fanampiana ireo traboina


  • Alarobia 14 Febroary 2024

Raha tsy dia re firy hatramin’izay dia mba nahazo ny anjara fanampiany

avy amin’ny Birao nasionaly misahana ny loza voanajanahary ireo traboina avy amina tokantrano miisa 15 ahitana olona 75 isa ao anatin’ny Fokontany Avaratetezana Kaominina Ampitatafika, distrikan’Atsimondrano. Tao amin’ny toerana fandraisana traboina vonjimaika ao amin’ny FJKOMAF izay nametrahana azy ireo no nanatanterahana ny fizarana ny fanampiana. Nahitana fotsim-bary 188 kg izany, tsaramaso : 75 kg ary menaka 15 litatra. Samy nahazo fotsim-bary 12,5 kg, tsaramaso 5 kg ary menaka 01 litatra avy ny isam-pianakaviana. Natao teo hanatrehan'ny sefom-pokontany Avaratetezana , ny solotenan'ny Kaominina ary ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny BNGRC ny fizarana izany. Narahina fanentanana sy fampahafantarana ireo traboina ny fihetsika tokony hatao rehefa misy ny loza ihany koa ny hetsika. Tsiahivina moa fa vokatry ny fiakaran’ny reniranon’i Sisaony no nahatonga azy ireo ho traboina tahaka izao.
Pati
Legende : Nandritra ny fizarana ny fanampiana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT