Sosialy

“Autocollant” ho an’ny fiaran’ny mpanao gazety Hivoaka manomboka amin’ity herinandro ity


  • Alatsinainy 01 Jolay 2019

Hivoaka amin’ity herinandro ity raha araka ny vaovao azo avy amin’ny holafitry ny mpanao gazety ny autocollant natokana hapetaka amin’ny fiaran’ny mpanao gazety sy ny môtôny.

 

 

Vokatry ny fiaraha-miasan’izy ireo tamin’ny mpitandro ny filaminana sy ny minisiteran’ny serasera no angady nananana izany hahafahana manavaka ny mpanao gazety amin’ireo mpisandoka sy mpisokoly. Raha tsiahivina, nisy tamin’ireo mpanao ratsy no nampiasa ilay soratra presse tamin’ny fiara nentiny ka fanina ireo mpitandro ny filaminana. Mba hanavahana tsara ny mpikirakira vaovao dia hatokana mihitsy ny autocollant famantarana ny fiara sy ny môtô mitondra azy ireny. Mbola mandray fangatahana moa ny holafitry ny mpanao gazety ho an’ireo izay mila, hetsika fanampiana izay hiparitaka any amin’ny faritra.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT