Sosialy

Atsimondrano Tafakatra 400 Ar ny rano iray bidon


  • Zoma 29 Janoary 2021

Mafy ny fiandrasana rano amin’ny paompin-dranon’ny JIRAMA ho an’ny

 

 

 

 

mponina ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Isak’alina manomboka amin’ny 10 ora mantsy dia tsy maintsy mifoha, mameno sinibe miandry sy mitaty ny rano alefan’ny orinasa JIRAMA ny isan-tokantrano noho ny fahatapahan-drano lavareny iainana isan’andro. Ho an’ny eny Andranonahoatra Itaosy manokana dia toy ny kankana kely ny rano havoakan’ny paompin-drano ary tsy mahafeno bidon miloko mavo akory ao anatin’ny 1 ora. Mahatsiaro ho sahirana ny rehetra noho izany. Eo an-daniny anefa dia 10 bidons isan’andro raha kely ny filan’ny tokantrano iray raha tsy manasa lamba. Raha manasa lamba kosa dia manodidina ny 15 bidons any ho any ankoatra ny rano hidiovana sy hisasana. Samy miara-miaiky anefa ny rehetra fa tsy mbola nahitana fidininy mihitsy hatreto ny vidin-drano fa vao mainka midangana aza. Mbola mijanona ho 100 Ar tonga hatrany an-trano ihany mantsy ny rano iray bidon raha tafakatra 200 Ar izany ho an’ireo tokantrano somary lavidavitra kely miala ilay paompin-drano. Ho an’ireo toerana toy ny Ambohidrapeto kosa ohatra dia mahatratra hatrany amin’ny 400 Ar no hividianany ny rano iray bidon miaraka amin’ny soliky ny fiara hitaterana ny rano izay miainga eo Andranonahoatra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT