Sosialy

Atleta nikoizana lasa sahirana Tafiditra an-tsekoly ihany i Paquerette


  • Alakamisy 27 Febroary 2020

Noraisin’ny governoran’Itasy tanteraka ny fampidirana an-tsekoly an’i Paquerette ilay zazavavy kely zanaky ny sahirana lasa atlela nikoizana tany amin’iny faritra iny.

 

 Niantohan’ny governora  avokoa ny  lany rehetra taminy.  Ny talata lasa teo i Paquerette no niditra ny varavaran-tsekoly ao amin’ny taona fahatelo. Tonga nanatitra azy tao amin’ny EPP Mangarivotra ao Miarinarivo ny governora sy ny DREN Itasy niaraka tamin’ireo ray aman-drenin’i Paquerette. Navitrika tokoa ny anaovavy na dia hita ho somary hendratrendratra  ihany aza satria ny taona 2017 izy  no nanitsaka farany ny tokotanin’ity sekoly ity. Ny mba ho tafita amin’ny fianarana no tanjon’i Paquerette  ahafahany ihany koa manandratra ny maha atleta azy. Velom-pisaorana an’Andriamatoa governora ity zaza ity sy ny ray aman-dreniny nialoha ny nidirany ny varavaran’ny sekoly sady latsa-dranomaso noho  ny hafaliana loatra. Nilaza moa ny tenany fa hanohana an’i Paquerette  hatrany amin’ny fianarana ataony fa kosa hanara-maso ny fahazotoany sy ny vokatra azony. Hiezaka hijery ny olana mety hanakantsakana azy amin’ny fianarany ihany koa ny governora

.


Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT