Sosialy

Aterineto maimaimpoana ho an`ny daholobe


  • Alarobia 18 Novambra 2020

Tafapetraka ny an`i Tsiroanomandidy Efa tsy afaka amin` ny ankamaroan` ny Malagasy intsony ny fampiasana ny

teknolojia indirna ny aterineto. Mba hahafahana mampiroborobo ny toekarena nomerika dia nanolavola tetikasa “Aterineto maimaimpoana ho an`ny daholobe” ny minisiteran` ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ary ny Fampivoarana ny Haitao Ara-kajy Mirindra. Izany hoe fanamorana ny fampiasana aterineto indrindra amin`ireo toerana stratejika ho an`ny daholobe. Taorian` i Manakara sy Toliara dia i Tsiroanomandidy no nametrahana ivon-toerana Hotspot Wi-Fi. Izany dia natokana ho an` ireo mampiasa tranok’ala fanovozam-pahalalana, fikaroham-baovao, fitadiavan’asa, sy ny toa izany. Tsy manakana ireo mpisitraka izany hampiasa tambazotra sosialy mampifandray azy ireo amin’ny havany sy ny fianakaviany, ary koa entin’ireo mponina hampahafantarana ireo maha izay azy an’i faritra sy tanana misy azy. Ho fitsinjovana ireo mpandraharaha mpamatsy aterineto (Fournisseur d'accès internet) , dia voafetra kosa na ny "zone de couverture" na ny fetran’ny connexion azon’ny olona tsirairay ampiasaina , na ny fotana ampiasana azy izany na ny habetsany/ volume. Marihana fa ivo-toerana Hotspot Wi-Fi 50 isa no hotratrarina ao anatin` ny roa volana. .

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT