ASSOCIATION SOLIDARITE 2 ROUES

Nizarana fitafiana sy lamba ho an’ireo mpatory an-dalana


  • Talata 18 Jona 2024

Tsy ny lozam-pifamoivoizana foana akory no hahafantarana ireo mpitondra

moto na kodiaran-droa eto an-drenivohitra sy ny manodidina fa mandray anjara mavitrika amin’ny asa sosialy ihany koa izy ireo no sady manome ohatra tsara ho an’ny mpiara-belona. Anisan’izany ny Association Solidarite 2 Roues, izay anisan’ny fikambanana manana vina feno fahamendrehana. Nanatanteraka ilay hetsika Mizara Fitiavana teny amin’ireo olona mpatory an-dalana teny Ambohijatovo, Analakely ary Behoririka sy Tsaralalana izy ireo afak’omaly Alahady 16 Jona. Nosinganin’izy ireo manokana tamin’izany ny lehilahy noho io andro io nankalazana ny fetin’ny Ray. Fitafiana , lamba mafana…no natolotr’izy ireo tamin’izany ka Raim-pianakaviana maro no nahazo tombontsoa. Tanjon’izy ireo moa ny hahatsapan’ny mpiara-belona indrindra fa ireo marefo fa tsy mpanao herisetra na mpihetraketraka foana ireo mpitondra kodiaran-droa ka mahay mizara fitiavana no sady miezaka manitsy sy manampy ireo namany hafa ihany koa mba hahay hanaja ny lalan’ny fifamoivoizana hisorohana ny loza mety hitranga.
Pati
Legende : Nandritra ny fizarana ny fanampiana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT