Sosialy

Association Mère et Enfant Zazalahy 400 ezahina hoforaina hatramin’ny aogositra


  • Alatsinainy 01 Jolay 2019

Fikambanam-behivavy miezaka manasoa ny mpiara-belona ny “Association Mère et enfant”, tarihin’ny filohany Soafara Ramahandry.

 

 

 Taorian’ny Boriborintany I dia nanatanteraka famoran-jaza faobe teny amin’ny Boriborintany fahefatra indray izy ireo ny sabotsy teo, ka zazalahy kely am-polony no nahazo tombontsoa tamin’izany. Dokotera mpandidy efa mpiara-miasa amin’izy ireo eo anivon’ny hopitaly HJRA ihany no nanao ny fandidiana raha niantohan’ny Boriborintany fahefatra kosa ny kilalao sy ny bisikoitra. Mbola nahazo koba aina avy amin’ny mpiara-miombon’antoka ihany koa ireo ankizy madinika raha ny Sopharmad kosa no nanome ny fanafody. Ny 20 jolay ho avy izao indray vao hotanterahina ny andiany manaraka ka mandrapahatapitry ny hetsika dia zazalahy kely miisa 400 no ezahina hahazo tombontsoa manerana an’Antananarivo Renivohitra. Nisaotra manokana ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana ity fikambanana ity noho ny fiaraha-miasan’ny roa tonta.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT