Sosialy

Association Mère et Enfant Madagascar Hanampy ny reny amin’ny fahafantarana ny zony


  • Alakamisy 29 Novambra 2018

Mbola betsaka ireo vehivavy tsy mahalala akory ny zony eto amintsika.

 

 

 

 Antony iray mampahazo vahana ny herisetra ao an-tokantrano izany amin’ny ankapobeny ka nanosika ny Company Mahasoa hanangana  ny “Association mère et enfant Madagascar”, tarihin-dRamilison Ramandry Soafara. Omaly no nampahafantarana tamim-pomba ofisialy ny fitsanganan’ny fikambanana tetsy amin’ny Urban hotel Ambatonakanga sady nanehoana ireo mpiara-miasa maro isan-karazany ihany koa. Anisan’izany ny la starlette communication… Antom-pijoroan’ny fikambanana, araka izany, ny hanampy ireo reny amin’ny fahafantarana ny zony. Toraka izany koa ny hahafahana manolo-tanana ireo reny sahirana, asa izay kasain’ny fikambanana hatomboka amin’ny taona 2019 ho avy izao. Hikarakara hetsika goavana hanatevenana ny kitapom-bolany, araka izany, ny fikambanana  rahampitso sabotsy 1 desambra. Eny amin’ny Espace Vert Dana Club eny Amborompotsy Talatamaty no hanatanterahany izany  « dejeuner dansant spécial  nostalgie» hanomboka amin’ny 12 ora antoandro hanatevenan’izy ireo ny kitapom-bolany.  Marihina  fa efa misy mpikambana 400 ankehitriny ao anatin’ny association mère et enfant. Hofanina hahay hanabe ireo menaky ny ainy ihany koa ny mpikambana ao hahafahana mamolavola olom-banona.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT