Sosialy

Association mère et enfant Alasora Nanolotra fitaovana ho an’ny maternité sy ireo tera-bao


  • Talata 09 Martsa 2021

Ny vehivavy no loharanon’aina. Tokony hokarakaraina sy tohanana tsara izy ireny araka izany mba hananana taranaka vanona.

Nahatsiaro manokana izany ny kaominina Alasora sy ny Assocaition mère et enfant, tarihin’ny filohany Ramahandry Ravelosoa Soafara omaly alatsinainy 08 martsa, nandritra ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny vehivavy. Nisy araka izany ny fanoloran’ny vadin’ny Ben’ny tanàna Mireille Randriantsoa sy ity fikambanana iray ity “tensiomètre sy thermomètre infrarouge, pèse-personne professionnelle” sy kojakoja maro samihafa ho an'ny maternité ao an-toerana. Tsy adinon’izy ireo nandritra izany ny nanolotra bodofotsy ho an’ireo vehivavy tera-bao raha toraka izany koa ireo vehivavy mpanamboatra vilany tany ao Miadana miisa 29. Notolorana fitaovana manokana izy ireo mba hahafahany miasa raha araka ny fanazavan’ity vadin’ny Ben’ny tananan’Alasora ity hatrany. Notolorana fitaovana “pack hygiène”, sakafo sy rano ihany koa ireo vehivavy rehetra nanatrika ny lanonana, izay notanterahina tao amin’ny CSB II Alasora. Ho an’ny Association meère et enfant moa dia fantatra fa miezaka manampy ny vehivavy izy ireo raha tsy latsa-danja tamin’izany ny nanolorany Kits scolaires ho an’ireo mpianatra teny Atsimondrano sy Avaradrano. Marihina moa fa nangataka tamin’ny fitondram-panjakana ny mba hanomezana sehatra misimisy kokoa ny vehivavy ny vadin’ny Ben’ny tananan’Alasora. Hifanindry an-dalana amin’izany ny ezaka hataony hanampiana ireo fikambanam-behivavy ao amin’ny faritra misy azy hahafahan’ireto farany manatsara ny fari-piainany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT