ASSOCIATION LA PLATEFORME

5 taona nanampiana ny vehivavy sy ny tanora


  • Alakamisy 04 Septambra 2025

Fikambanana iray manampy sy manasoa ireo vehivavy eto amintsika

ny Association La Plateforme. Dimy taona no nanaovana io asa io ny fikambanana ankehitriny ka vehivavy an-jatony no efa nahazo tombontsoa tamin'izany. Raha araka ny fanazavan-dRtoa Tahirintsoa Malalaniaina, tompon'andraikitra ara-bola eo anivon'ny fikambanana dia maro ny tantsoroka entin'izy ireo amin'izany. Omena fiofanana ireo vehivavy sahirana ohatra mba hananany velontena ara-dalana ka tsy ho vesatra ho an'ny fiaraha-monina intsony. Mbola manampy azy ireo amin'ny fitadiavana asa ny fikambanana mandritra izany izay tsiahivina fa maro ireo efa nijoro vavolombelona. Ho an'ireo vehivavy tany amin'iny distrikan'i Morondava, Faritra Menabe iny ohatra dia nomena fiofanana momba ny fitehirizana vokatra izy ireo ka anisan'ireny ny vokatra trondro mba hahafahany mampidi-bola mandava-taona. Tsiahivina moa fa tamin'ny taona 2020 no niorina ny fikambanana. Hankalazana ny faha-5 taona nijoroany ny fikambanana amin'ity volana Septambra ity. Hisy mandritra izany ny hetsika maro samihafa entina hanamarihana izany arahin'ny fampisehoana horonan-tsary mihetsika hampahafantaran'ireo vehivavy sahirana ny tombontsoa azony tamin'ny tantsoroka nomen'ny fikambanana. Ny fondation Agakan moa no mamatsy vola ny tetikasa izay tsiahivina fa mbola hitohy hatrany. Tafiditra ao anatin'ny ezaka hampihenana ny tahan'ny fahantrana eto amintsika ny asan'ny fikambanana amin'ny alalan'ny fanofanana ny vehivavy sy tanora mba hananany asa ara-dalana.
Pati
Légende : Hatramin'ny fandokoana hampianarina ireo vehivavy sy tanora mba hamohazana ny talenta ao anatiny. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT