ASSOCIATION HAZOTONA

Nizara fitafiana ho an’ireo sahirana


  • Alatsinainy 24 Jona 2024

Tsy manadino ireo mpiara-belona sahirana ny Fikambanana Hazotona amin’izao

ankatoky ny Fetin’ny 26 Jona izao. Tonga nitsidika sady nanolotra lamba fitafy tao amin'ny Cités des Indigènes Ambohijafy Nord plle/14 /31 Toamasina izy ireo afak’omaly Sabotsy 22 Jona. Akanjo vaovao avy tamin'ireo mpikambana Hazotona avy any ivelany ireo nozaraina ireo, ka ny mpikambana Hazotona ao Toamasina no nanatitra izany. Nilaza izy ireo fa mahatsiaro ny olona sahirana noho ny tsy fahafahana mividy fitafiana intsony, indrindra amin’izao andro mangatsiakabe izao. Tsiahivina moa fa Rtoa Milazara Babie Claire no Reny mpiahy ireo mponina ao amin'ny cités des Indigènes ao Ambohijafy.Nandray io fanomezana io ho zava-dehibe ny tenany. Mikasika an’Atoa Jao Sola izay tompon’andraikitra ao anatin’ny fikambanana moa dia nambarany fa tsy hilatsaka Ben’ny tananan’i Toamasina izany ny tenany fa hijanona ho mpanampy ny mpiara-belona fotsiny. Tsy hanohana na iza na iza ihany koa izy. Efa tamin’ny taona 2017 ny tenany no nanao asa sosialy tao Toamasina tahaka izao ary mbola hitohy hatrany izany.
Pati
Legende : Nandritra ny fanoloran’ny fikambanana ny fanampiana !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT