Sosialy

Association Gasy Karana ao Boeny Nanolotra vary 15 taonina sy savony 375 baoritra


  • Talata 07 Aprily 2020

Amin’izao fihibohana an-trano izao, izay niampy 15 andro indray dia nivondrona ao anatin’ny “Comité 5”, ireo mpandraharaha karana mipetraka ao amin’ny faritra Boeny,

 

 

 ka nanolotra vary 300 gony na 15 taonina, savony 375 baoritra hanampiana ireo olona sahirana sy marefo ara-pivelomana ary ireo zokiolona. Ny fikambanana Gasy Karana ao Boeny no nanatanteraka izany ka ny sabotsy lasa teo no nanoloran’izy ireo ny fanampiana. Ny Ben’ny tanànan’i Mahajanga sy ny lehiben’ny faritra mpisolo-toerana no nandray an-tanana izany fanampiana izany. Nilaza ny mpitondra tenin’ny fikambanana Gasy karana, Atoa Ganivalah, fa efa nandritry ny 5 taona no nizara sy nanome sakafo ireo olona isaky ny fokontany ny fikambanana ary nandritra izany no nanaovan’izy ireo ny fanohanana sy fanampiana ara-tsakafo, fitafiana, hena, sns, ho an’ireo marefo ara-pivelomana. Voalazan’ity mpitondra teny ity, fa olona 100 isaky ny fokontany no mahazo ny fanampiana omen’izy ireo hatramin’izay. Miditra amin’ny andro ririnina isika, ka eo ihany koa ny fanomezana azy ireo lamba sy fitafiana mafana hoy ny tenany. Amin’izao fisian’ny valan’aretina coronavirus eto amintsika izao, dia manaraka ny toromarika rehetra omen’ny fanjakana ny fikambanana ary manohy hatrany ny fanampiana ara-tsakafo izay ataon’ny “Association Gasy Karana”. Araka ny fantatra dia mbola “Zero Cas” i Mahajanga amin’izao ary tsy misy ny soritr’aretina any Boeny, hoy Ganivalah.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT