Nijoro ara-panjakana tamin’ny 2 jolay 2018 teo ny AJCI « Association des Jeunes en Chômage d’Itaosy » tarihan-dRarivomanana Anicet.
Efa manana mpikambana mitotaly 18.000 manerana an’i Madagasikara, 1200 eny Itaosy, 3280 eto Antananarivo, 15000 any amin’ny Faritra. Araka ny anarany dia hitambaran’ireo tanora tsy an’asa avy eny Itaosy Atsimondrano ity fikambanana ity ka nitady fiaraha-miasa tetsy sy teroa (fanjakana sy tsy miankina) mba hampahafantarana ny zava-kinendrin’izy ireo nefa dia ny depiote Randrianasolo Pauline avy any Vondrozo irery no hany namaly azy ireo ka nanohana tamin’ny fomba rehetra nentin’ity fikambanana ity nampiseho tamin’ny rehetra ny asa azon’izy ireo tanterahina eny anivon’ny firahamonina. Fanadiovana ny « secteur » 5 ao amin’ny fokontanin’Ambodinisotry Boriborintany I avy amin’ny fifampiresahana sy fifanarahana tamin’ny mpivaro-damba ao amin’ity toerana ity sy ny lehiben’ny fokontany no nahafahan-dry zareo nanatanteraka ny asa fanadiovana niaraka tamin-dRtoa depiote avy any Vondrozo izay nanambara mazava fa efa zatra manampy an’ireo miasa amin’izay toerana eto Madagasikara lalovany izy amin’ny maha depioten’i Madagasikara azy ka nampiana Ambodinisotry tamin’ity indray maka ity satria fiantsenan’ny Malagasy rehetra manerana ny nosy ihany koa ity toerana ity amin’ny ankapobeny. Raha te-hampandroso an’i Madagasikara isika dia tokony hojeren’ny fitondram-panjakana ankehitriny sy ny ho avy eo ny amin’ny paikady tolotr’asa ho an’ny tanora eto amintsika, hoy Atoa Anicet. Fanentanana ny rehetra mba hikajy ny fahadiovana no nataon’ny AJCI, hoy izy, sady fampahafantarana an’ireo tsara sitrapo rehetra fa misy ny tanora mahavita asa manala sahirana ny rehetra araka izay tadiaviny. Nangatahan’ny any amin’ny Faritra hovana ho AJCM ny anaran’ny AJCI ity noho ny efa fipariahany manerana ny nosy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.