Sosialy

Association DAHOLO Nampianatra ny ankizy momba ny fahadiovana teny 67 ha


  • Zoma 13 Septambra 2019

Nanentana ny ankizy dimy ka hatramin’ny 10 taona momba ny fahadiovana sy fidiovana teny Antsalovana 67 ha omaly ny fikambanana Daholo, tarihin-dRtoa Mihanta Ramanantsoa.

 

 

 Ireo tanora dimy mianadahy nofaniny manokana momba ny fahaiza-mitarika no tonga teny an-toerana nampianatra ireo kilonga madinika momba ny fahadiovana ka anisan’ny nampianarina azy ireo ny resaka fanasan-tanana amin’ny savony sy ny fiborosiana nify in-telo isan’andro. Noho ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny mitady ny hanin-ko hanina isan’andro mantsy dia betsaka amin’ireo ankizy madinika eny amin’ity toerana ity no tsy mahalala loatra ny resaka fahadiovana. Ny 80 %-n’ireo mponina mantsy dia miaina anaty fahasahiranana avokoa, raha araka ny fanadihadiana natao. Miisa 50 ireo ankizy madinika nahazo tombontsoa izay mbola nozaraina borosy nify ihany koa. Fa ankoatra izay dia tanora lahy sy vavy miisa 10 teo ihany koa no nanaovana fanentanana momba ny fitiliana ny otrikaretina Vih/SIDA sy ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo, niarahana tamin’ireo mpianatra ho farmasiana eo anivon’ny Humapharma. Tsiahivina moa fa antom-pijoroan’ny fikambanana Daholo ny hanangana tanora mahay mitarika, vonona ny hiotra sy hiady amin’ny fiainana ary hanampy ireo zandrikely aty aoriana. Folo mianadahy izy ireo hatreto no efa nampianarin-dRtoa Mihanta Ramanantsoa raha vao tamin’ny volana janoary lasa teo no niorina ny fikambanana. Ezahina hitarina any amin’ny faritra hafa ny hetsika.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT