ASSOCIATION AHMADIYYA DE MADAGASCAR

Nizara sakafo ho an'olona 4000 isa


  • Talata 10 Jona 2025

Tsy nandalo fotsiny ny fetin'ny Eid Mubarak ho an'ny Association Ahmadiyya

Musulmane de Madagascar etsy Andavamamba. Nankalaza io fety io izy ireo ny faran'ny herinandro teo izay nahatsiarovany manokana ny nanaovan'ny mpaminany Abrahama sorona ny zanany lahy Ismaela ho an'Andriamanitra. Hataon'ireo mpino Slamo maodely mandraka ankehitriny izany amin'ny alalan'ny fizarana ho an'ny hafa indrindra fa ireo sahirana ara-pivelomana. Omby miisa 29 no novonoin'izy ireo tamin'izany, notsinjaraina ho an'olona miisa 4000. Anisan'ny nahazo tombontsoa tamin'izany ireo mponina avy ao Anosipatrana, Anosibe, Andavamamba, 67 ha ...raha toraka izany koa ny tany amin'ny Faritany. Teny filamatry ny fikambanana moa ny hoe : fitiavana ny rehetra, tsy fankahalana na iza na iza ka nahafahany nizara izao fanampiana izao. Hena 02 kg isanisany teo no nozaraina tamin'izany, ampy niatrehan'ny isan-tokantrano ny Fetin'ny Pentekosta tsara. Tao anatin'ny hafaliana tanteraka no nandraisan'ireo vahoaka marobe izany fanampiana izany. Mitohy hatrany ny asa sosialy entina hanampiana ny mpiara-belona ho an'ity fikambanana iray ity.
Pati
Légende : Nisomebiseby tahaka izao ny mpizara !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT