Nijery manokana ireo zaza kamboty sy niangaran’ny vintana beazina ao amin’ny
Akany Fialofana eny Tangaina Ampitatafika ny fikambanana Assanati Famo Gidraka omaly, tarihin’ny filoham-boninahiny Rtoa Assanati. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona ny hetsika izay entina indrindra hamalifaliana ireo ankizy ireo. Ankoatra ny vatomamy dia notolorana fotsim-bary 10 gony sy savony 10 baoritra, ny akany hiatrehany ny fiainana andavanandro. Mpikambana marobe avy amin’ny fikambanana Assanati Famo gidraka no tonga nanolotra izany ao anatin’ny fanatanterahana ilay teny filamatra manao hoe : antsika jiaby miaraka amin’ny Assanati Famo gidraka ary ny werawera tsy maintsy mandeha. Nanaja ny fepetra ara-pahasalamana tanteraka izy ireo ho fisorohana ny valan’aretina COVID 19.Tsiahivina moa fa miisa 29 mianadahy ireo zaza kamboty beazina sy kolokolina ao amin’ity akany ity. Ny 17 amin’ireo no lahy raha miisa 12 kosa ny vavy, sahanina mpanabe miisa 7. Enina taona kosa no zandriny indrindra amin’ireo ankizy raha 27 taona no zokiny indrindra. Tsara ny manamarika fa maro ireo asa sosialy vitan’ny fikambanana hatramin’izay nijoroany izay. Olona marobe no efa nahazo tombontsoa tamin’izany na tao anatin’ny tambajotran-tserasera na teny anivon’ny fiaraha-monina. Nandritra ny fihibohana ohatra dia nanampy olona maro tamin’ny fiatrehana izany ny fikambanana ka anisan’ireny ny fizarana fotsim-bary, ny fatana mitsitsy, ny lelavola 1 hetsy Ar, ny akoho amam-borona izay mbola hitohy hatramin’ny 05 janoary ho avy izao, ny fitsinjovana ireo mpivarotra arendrina teto an-drenivohitra sy ireo mpanankato marobe tany Mahajanga. Mbola hitohy amin’ny fijerena ireo zokiolona moa ny hetsika ato ho ato, asa soa tsy misy tambiny natao indrindra hanamaivanana ny fahasahiranan’ny mpiara-belona.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.