ASSANATI FAMO GIDRAKA

Mirary taona zina, mitohy ny asa soa


  • Talata 26 Desambra 2023

Tsy nanadino ny nirary soa ho an’ny mpiray tanindrazana rehetra Rtoa Assanati Famo Gidraka

noho ny fahatongavan’ny fetin’ny Noely izay nankalazaina omaly Alatsinainy 25 Desambra. Ny fahefana an'ny Mpitondra hoy izy, ny fivoy an'ny Mpiandakana ary ny Aina an'Andriamanitra. Ity farany izay nambarany fa loharanom-pahasoavana sy fahavelomana. Misaotra ny Mpahary mandrakariva isika hoy izy satria mbola voatahy ka nahatratra sy afaka niara-nankalaza ny fetin’ny Noely 2023 omaly “androm-pifaliana sy fihobiana noho ny nahaterahan' Ilay Mpamonjy”. Fifaliana lehibe izany ary ara-drariny raha hifampiarahaba isika. Indramiko ny fiarahaban'ny Anjely manao hoe : Arahaba ry Ilay nasoavina , ny Tompo ho aminao. Mateza hasina ny fiarahabana hombam-pirariantsoa. Nirary ny soa sy fety sambatra ho an’ny mpiray tanindrazana rehetra izy noho izany. Ny fitiavan'Ilay Jesoa Mpamonjy anie ho toy ny rano sy vary amintsika ka tsy hahasaraka Anao raha an-tanàna , tsy hifandao aminao raha an-tsaha. Nitondra ny teny fikasana ho an’ny rehetra koa izy nandritra izany mba hahatafitasoa ity taona 2023 ity sy ho todisoa amin'ny taona vaovao 2024 isika rehetra. Fety roa sosona mifampitohy ireo hoy izy ka ho voanjo mitohy ny fitahiana. Fety roa miavaka mifanesy ka isesisesy ny Fahombiazana. Tsiahivina moa fa tsy nanadino ny nizara akoho amam-borona ho an’ireo mpikambana ao amin’ny fikambanana Assanati Famo Gidraka ity filoham-boninahiny ity. Toraka izany koa ireo mpanohana azy ao amin’ny tambajotran-tserasera Facebook, hetsika izay fanaony isan-taona.
Pati 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT