Sosialy

Assanati Famo Gidraka “Hanasoa ny mpiarabelona tsy misy tambiny”


  • Alarobia 25 Septambra 2019

Tsy mitsahatra ny fikambanana Assanati Famo Gidraka amin`ny fanampiana ny mpiarabelona. Hanasoa tsy misy tambiny no tena antom-pijoroany, indrindra fa ny vehivavy sy ireo tena sahirana.

 

 

Hatsangana tsy ho ela eto Antananarivo ny fikambanana raha efa ahitana azy kosa ny ao Mahajanga sy any Antsiranana. Tsiahivina moa fa asa soa maro no efa notanterahin’ny fikambanana Assanati Famo Gidraka. Rehefa fidiran’ny mpianatra tahaka izao moa dia ny fizarana “kits scolaires” ho an’ireo ankizy tena sahirana no tena imasoany. Nisy anefa renim-pianakaviana iray narary mafy no efa navotan`ny fikambanana tany Mahajanga izay may trano tany an-toerana ihany koa no efa nampiany taorian’ny voina nahazo azy. Ankoatra ireo dia efa notolorany kidoro éponge ihany koa ireo mponina etsy La Réunion kely, narahiny fizarana “maillot” maimaimpoana izany nandritra ilay lalao CAN 2019 notanterahin’ny ekipam-pirenena Barea tany Egipta. Nizarany vary, siramamy, menaka…. ihany koa ireo ankizy mpino Silamo tao Mahajanga niharitra nivavaka nandritra ny ramadany farany teo, hampaherezana ireto farany hanatona hatrany ilay Nahary. Raha araka ny fantatra hatrany moa dia ezahina haparitaka manerana ny Nosy ity fikambanana iray ity. Hetahetan’ny maro ny hisiana vehivavy vonona ny hanampy ny mpiarabelona tahaka an-dRtoa Assanati Famo gidraka fa tsy variana hitsikera sy hanenjika azy fahatany fotsiny.

 

Marigny A. sy Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT