Nitombo isa tato ho ato ny fanafihana olona mitondra vola..na hanatitra io na haka amina banky. Tsapa fa mandinika sy manao fanadihadiana ireo jiolahy ary manana mpanome vaovao. Hatreto aloha, mpiambina tsotra tsy mitam-basy no tena maro an’isa miambina banky na dia misy mpitandro filaminana ihany aza.
Ny jiolahy anefa manao andiany ary maromaro no mitondra basy. Tsy mandeha ho azy koa anefa ireny fa efa voaomana mialoha avokoa. Efa mahakasika ny rehetra ny tranga tsy fandriampahalemana ary tandindomin-doza amin`ny fotoana rehetra sy amin`ny toerana rehetra. Ireo toerana somary misintaka tanàn-dehibe no efa andrankandraman`ireo jiolahy. Maro ireo banky efa manamafy ny fiarovana ao aminy taorian`ilay zava-nitranga teny Andranonahoatra taorian`ny fanafihana mpanao “versement” teo am-baravaran`ny BNI. Mety tsy voahaja intsony koa ny tsiambaratelo ary mety misy mpiasa be resaka na efa tena miray tsikombakomba. Mbola goragora ny fanaraha-maso ny vola eto amintsika ka mora ny mamadika ny vola nangalarina azo atakalo “devises” avy hatrany eny amin`ny sisin-dalana… Tokony hampihatra fanaraha-maso hentitra tamin'ny fividianana vola vahiny ny governemanta. Na dia efa misy fanaraha-maso henjana amin'ireo mety ho mpanakalo vola vahiny aza dia tokony hihamafy izany. Eto amintsika, vitsy no manjifa fiara amin`ireny mpivarotra fiara vaovao ireny kanefa amin`ireny no ahafahana manara-maso ny vola satria raha mividy fiara iray dia tsy maintsy amin`ny alalan`ny taratasim-bola vao afaka mividy. Toy izany koa ny tany sy trano, raha mandalo “notaire” ny fifanarahana ara-barotra dia tsy maintsy taratasim- bola ihany koa raha mihoatra ny 25 tapitrisa ariary ny vidin`ny tany na trano iray. Ampahany ihany ireo amin`ny tranga amin`izao noho ny tsy fahaiza-mitantana sy ny tsy fandraisana andraikitra matotra avy amin`ny mpitondra. Tsy tokony hisy andraso fa atao anatin`ny fotoana fohy ny handraisana fepetra hentitra hamerenana amin`ny laoniny ny filaminana sy fandriampahalemana ary koa ny fifampitokisana eto amin`ny firenena.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.