Asam-panjakana

Fanisana sy fanadiovana no hatao, hoy ny mpitondra


  • Zoma 16 Febroary 2024

Adihevitra nafana tato anatin’ny andro vitsy ny mikasika ny hoe :

hisy ny fandroahana mpiasam-panjakana miisa 50 000. Nilaza kosa ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny Minisitry ny asa sy ny asam-panjakana Rtoa Hanitra Razakaboana omaly, fa fanisana no atao hahafahana manana antontan’isa, fijerena ny fahaiza-manao mba hahafahana mamaritra sy mikjery ireo asa tokony hotanterahana. Dingana manaraka aorian’ny fanisana ny fandrindrana ny asa. « Rehefa azo ny antontan’isa sy ny fahaiza-manao, dia tsy maintsy jerena ny hampiasana azy araka ny tokony ho izy hanatsarana ny kalitaon’ny asam-panjakana amin’ny ankampobeny, mba hanomezana zavatra tsara ho an’ny vahoaka mpisitraka. Eo ihany koa ny fijerena ny fampifandanjana ny isan’ny mpiasan-panjakana isaky ny faritra », hoy io Minisitra io. Nivory moa ny Minisitera sy ireo Tale misahana ny fitantanana olona eny anivon’ny Minisitera sy ny andrim-panjakana ny andron’ny omaly. Ankoatra io, nilaza ihany koa ny teo anivon’ny Minisiteran’ny jono sy ny toekarena manga, izay voalaza fa isan’ny nivoahan’ity resaka ity, fa ny Fitondram-panjakana mijoro ankehitriny, indrindra ny Ministeran’ny Jono sy Toekarena Manga, dia tsy manana eritreritra velively handroaka mpiasam-panjakana fa hanamafy kosa ny fanadiovana izay efa natomboka ka nahitana vokany manoloana ny ady amin’ny fanafoanana ireo mpiasam-panjakana matoatoa “Fonctionnaire fantôme”. Nilaza fa hiroso amin’ny fanomezana fampiofanana isan-karazany ireo mpiasam-panjakana amperin’asa mba hahafahan’izy ireo ao aorian’izany hanome vokatra tsara kokoa hoan’ny vahoaka ka afaka hiantsehatra sy hamaly ireo tena filàna fototry ny vahoaka hahafahana mandray anjara ho amin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ny daholobe.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT