Sosialy

Asa voafetra, vola miditra manify Mitaraina ny mponina etsy La Reunion kely


  • Talata 31 Martsa 2020

Mijaly ny mponina eny amin` ny La Réunion kely amin` izao fametrahana ny fahamehana ara-pahasalamana eto Antananarivo izao.

 

 

 

Ny fampitsaharana ireo hetsika rehetra manomboka amin` ny mitatao vovonana dia tsy manampy azy ireo amin` ny asany mihitsy. Tsy ampy azy ireo ny ora hiasana ka zara raha misakafo. Tsy misy ny vola ahafahana manjifa ny « vary mora »eny amin`ny fokontany misy azy ireo. Mampatsiahy moa ny mponina eny an-toerana fa tokatrano 30 monja no nahazo ilay “trano-conteneur”, natolotry ny fitondram-panjakana, kanefa maherin` ny 240 isa izy ireo. Maro amin' ireo tsy manan-kialofana no iharan'ny hanoanana sy orana amin`ny alina. Nampatsiahivin` izy ireo hatrany fa mbola tsy mahazo rano fisotro madio ihany koa izy ireo satria tsy manam-bola ahafahana manjifa eny amin`ny “borne fontaine” natokana ho an` ny besinimaro.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT