Sosialy

Asa Tagnamaron’ny mpitandro ny filaminana Voaloko ny kaomisarian’i Mahamasina, hodiovina ny sy kianjan’i Betongolo


  • Alatsinainy 17 Jona 2019

Anio maraina no hifanome tanana eny Betongolo ireo miaramila zandary sy tafika.

 

Tamin’ny sabotsy maraina kosa no nanatanteraka ny asa tagnamarony andiany fahefatra ny teo anivon’ny polisim-pirenena. Araka ny nambaran’ny minisitry ny filaminam-bahoaka, CGP Roger Rafanomezantsoa, nosafidiana manokana ny kaomisarian’ny boriborintany faha-5 amin’izao ankatoky ny fetim-pirenena izao hoentina hanatsarana ny endriny izay manakaiky an’i Mahamasina hanaovana matso ny 26 jona izao. Voaloko ny atiny sy ivelany. Araka ny fampitam-baovaon’ny miaramila kosa, hiavaka ny asa tagnamaro hotanterahana anio  amin’ny fanadiovana ny kianjan’i Betongolo. Toerana izay handraisana ny kermesin’ny foloalindahy Malagasy amin’ity taona ity izay hotanterahina ny zoma 21-26 jona izao ho fanamarihana ny faha-59 taonan’ny fahaleovantenam-pirenena Malagasy sy ny fetin’ny foloalindahy. Maro amin’ireo fotodrafitrasa, ny tranom-panjakana, indrindra ny toeram-pivoahana no efa goaka sy valaka tanteraka. Tsy vitan’ny asa tagnamaro ireny fa mila vola nefa tsy mbola hita taratra anaty tetibolam-pandaniana amin’ity taona ity. Haja Nirina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT