Sosialy

Asa sy fihariana Miroborobo ny resaka zaitra


  • Zoma 17 Septambra 2021

Niroborobo sy nahazo vahana teto amintsika ny resaka zaitra hatramin’ny nisian’ny valan’aretina Covid 19 ka niteraka ny fihibohana teto amintsika.

 Tsy vitsy tamin’ireo olona teny anivon’ny fiaraha-monina mantsy raha araka ny fanazavan-dRazanamanalina Volana filoha tale jeneralin’ny ECCOVA no lasa nivelona tamin’ny asa fanjairana sy nanohana ireo fianakaviany tamin’izany hany ka olona maro no nanjary manana antom-pivelomana maharitra. Ho azy ireo dia mitohy hatrany ny fanosehana ireo olona liana amin’ny asa fanjairana. Mpianatra miisa 480 mianadahy indray no niatrika fanadinana ara-panjakana ho azy ireo nandritra ny 2 andro izay nifarana omaly. Omaly no nanaovana ny fampiharana na ny 3 % tamin’ireo mpianatra ireo dia lehilahy avokoa. Ankoatra ny fahazoana mari-pahaizana dia fantatra fa hahazo milina fanjairana ihany koa ireo mpianatry ny ECCOVA izay ho afaka soa aman-tsara amin’izany fanadinam-panjakana izany raha amin’ny 15 oktobra kosa no famoahana azy ireok amin’ny fomba ofisialy.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT