Sosialy

Asa sosialy Hidina ifotony ny Autisme Madagascar


  • Zoma 18 Oktobra 2019

Ankizy ahiana ho ôtista miisa 29 avy eto Antananarivo, 11 avy ao Toamasina ary 10 avy any Fenoarivo Atsinanana no vita fitiliana maimaimpoana tamin’iny volana jolay iny,

 

 

 

 teto amintsika, ka ilay manampahaizana iraisam-pirenena, ny dokotera Pierre Sans, no nanatontosa an’izany. Tafiditra ao anatin’ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Groupe Filatex sy ny fikambanana “Autisme Madagascar” izany, izay nomena ny anarana hoe : “Opération blue”. Ankoatra ireo dia ankizy ôtista miisa 25 ihany koa no nisitraka fitiliana momba ny fahasalaman’ny nify sy ny ati-vava, tany amin’ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo. Nohamafisina ihany koa ny fahalalan’ireo ray aman-dreny sy ireo tompon’andraikitry ny sekoly, tany amin’ireo Faritra roa ireo. Mbola mitohy ny hetsika ao anatin’ity fiaraha-miasa ity, ka amin’ny 31 oktobra hatramin’ny 02 nôvambra izao dia ho any Bongolava indray ireo mpilatsaka an-tsitrapo avy ao amin’ny “Autisme Madagascar”. Hisy, mandritra izany, ny fitiliana voalohany (pré-bilan) hatao amin’ireo ankizy ahiana ho ôtista any an-toerana, arahin’ny fanamafisam-pahalalana sy fanofanana ary fampahafantarana an’ireo ray aman-dreny sy ireo tompon’andraikitry ny sekoly. Hofaranana any amin’ny Faritr’i Boeny kosa ny fidinana ifotony any amin’ny Faritra, amin’ity taona ity.

 

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT