Sosialy

Asa sosialy eny Atsimondrano Nitsangana ara-ofisialy ny Fikambanana Tsiorintsoa


  • Alatsinainy 03 Desambra 2018

Manampy ny mpiara-belona no antom-pijoroan’ny Fikambanana Tsiorintsoa eny Antananarivo Atsimondrano, tarihin-dRamatoa Nofy Lalaina Haingoharijaona.

Efa hatramin’ny 2009 izahay no niezaka nanampy ny mpiray tanindrazana, hoy izy, satria nanomboka tamin’io taona io no tena narefo ny fiainana ara-tsosialin’ny vahoaka. Ny sabotsy 1 desambra teo kosa no nijoro tamin’ny fomba ofisialy ny fikambanana, ka nanamarihana izany ny fitokanana ny trano misy foiben-toerany eny Iavoloha notronin’ny vahoaka maro be. Foto-kevitra hijoroany ny hoe : “Hiara-kandroso amin’ny tsara isika”. Tonga nanotrona ny lanonana ny minisitry ny Indostria Guy Rivo Randrianarisoa, izay tsy amin’ny maha minisitra azy no nahatongavany teny. Hotroniko sy hampiako rehefa zanak’i Dada ka hitondra soa ho an’ny mpiara-belona, mpanangana fa tsy mpandrava, hoy izy. Nanolotra vola 4 tapitrisa ariary ho an’ny Fikambanana Tsiorintsoa moa ity minisitra ity. Tsy mahazo manao propagandy izy noho ny andraikitra tazoniny saingy zonay kosa ny manampy ny fikambanana, hoy izy. Hidina ifotony ohatra ny natao hatramin’izay ny fikambanana ary hihamafimafy ny asa satria miha betsaka ny mila fanampiana, ary miha mitombo hatrany ihany koa ny mpikambana afaka mifanome tanana. Manampy ara-tsosialy ka izay mila azy ireo, ka hita fa mitady izany dia ampiana na iza na iza, hoy hatrany ny Filohan’ny Tsiorintsoa Rtoa Nofy Lalaina Haingoharijaona.  Tany Alakamisy Fenoarivo, ohatra, dia efa nanao fanamboarana sekoly izy ireo satria tao am-piangonana no nianatra. Tao Mahabo dia tsy nianatra roa taona ny ankizy, ka tonga nitondra ny anjara birikiny izy ireo. Ny sosialy no tena iantsorohany saingy tsy mahasakana ny tsirairay amin’ny politika izany amin’ny maha olom-pirenena, hoy ny fanamarihana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT