Asa sosialin’ny TIM Alakamisy Fenoarivo

Natolotra ny lakana nangatahan’ny vahoakan’Ambohimiarina


  • Alatsinainy 09 Septambra 2024

xTahaka ny tao amin’ny fokontanin’Ambohimasina, dia namaly ny hetahetan’ny vahoaka ao

amin’ny Fokontanin’Ambohimiarina anatin’ny Kaominina Alakamisy Fenoarivo ny rantsan’ny Antoko TIM eny an-toerana. Tonga nanolotra tamin’ny fomba ofisialy ny lakana hahafahana miampita ny reniranon’Andromba ireo lohan’ny mpisorona anatin’ny TIM notarihin’Atoa Mendrika Rasolonirina mivady omaly alahady, ka tamim-pifaliana no nandraisan’ny vahoaka azy ireo. Efa hetahetan’ny mponina hatramin’izay ity satria nisy nangalatra ny lakana fampiasa, kanefa tena ilain’ny tantsaha, ny mpianatra, mpiantsena, olon-tsotra,... Ampahany ihany tamin’ny asa sosialy natao sy mbola hatao io raha ny nambaran’Atoa Mendrika Rasolonirina satria efa nisy ny fizarana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ho an’ny fokontany 5. Anisan’ny nisitraka manokana ny fokontany Merinarivo satria tsy dia milamina ny fandriampahalemana, efa nisy dahalo nanafika, ka nangataka ny fametrahana izay jiro izay ny vahoaka. Teo ihany koa ny hetsika ara-panatanjahantena nitezana ny tanora tsy hidonanam-poana, nanolorana amboara samihafa tahaka ny ondry, maillots, baolina,… nanampiana ny tanora. Ny tanora tao amin’ny fokontany Ambohimiarina no nibata ny amboara lehibe tamin’ny baolina kitra. Tao ihany koa ny fizarana « Kits scolaires » toy ny tao Atsimonkady, izay nentina nanampiana ny Raiamandren’ny mpianatra amin’izao fidiran’ny mpianatra izao,…. « Natao daholo izany rehetra izany mba hoentintsika ho fampandrosoana ity kaominina Malalantsika ity. Ho avy ny fotoana, manao politika isika, ary rehefa manao politika dia tafiditra ao anatin’izany ny fakana fahefana hahafahana mampandroso ny tanàna. Tsy mandray seza ka hanaonao foana, fa hanao izay azo hatao rehetra ho fanampiana ny vahoaka, ny tantsaha,… Vonona hifampiresaka ary mivoha midanadana ho antsika rehetra ny varavarana eto amin’ity kaominina ity. Ianareo tokinay, ary izahay mendrika ho anareo », hoy Atoa Mendrika Rasolonirina. Ity farany izay miantso ny fifanomeza-tanana sy firaisankina amin’ny ankolafy maro loko izay misy na inona na inona firehany. Fankasitrahana sy fitsofan-drano ho todisoa amin’ny tanjona kasaina kasaina kosa no nasetrin’ny vahoakan’Ambohimiarina, ka nanehoan’izy ireo tamin’ny alalan’ny solontenam-pokonolona fa vonona hatrany hifanome tànana ho an’ny fampandrosoana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT