Asa sosialin’ny depiote Todisoa

Hanomboka ny 02 martsa ny fanofanana teny anglisy


  • Alatsinainy 12 Febroary 2024

Raikitra ny adiany manaraka amin’ny fampiarana teny anglisy maimaimpoana

ho an’ny tanoran’Ambohimanarina karakarain’ny depiote Todisoa Andriamampandry voafidy tao amin’ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo. Hanomboka ny 02 martsa ho avy izao amin’ny 9ora maraina izany, ka nisokatra nanomboka ny sabotsy teo hatramin’ny 29 febroary ny fisoratana anarana ho an’izay liana amin’izany. Haharitra 9 volana ny faharetan’ny fampianarana ka tsy hiantohan’io olom-boafidy io avokoa ny rehetra, hatramin’ny « polycopes » ampiasaina amin’izany. Efa tanora maro no nisitraka fampiofana satria efa andiany faha-5 ity hiditra amin’ny 2 martsa 2024 ity. Isan’ireo tenim-pirenena ilaina amin’ny sehatra rehetra ny teny anglisy, indrindra fa amin’ny lafiny arak’asa, ka antony hanomezana tan-tsoroka manokana ho an’ny tanoran’Ambohimanarina fari-piadidiany. Ny tenany izay mpampianatra eny amin’ny anjerimanontolo ankoatra ny maha solombavambahoaka azy, ka manamafy hatrany an’ilay hoe : «Ny Fianarana no lova tsara indrindra ». Ao amin’ny Biraon’ny Association Ny Andraina ao Ambatolampy no hanatanterahana ny fanofanana, ka ho an’ireo izay liana amin’izany dia afaka miantso ny laharana 034 64 449 80, 034 89 023 55, 034 42 134 64, 034 36 417 05. Ampahany amin’ny karazana asa sosialy ataon’ny Depiote Todisoa Andriamampandry io, fa samy mahazo izay tandrify azy avokoa amin’ny ankampobeny ny rehetra.
Toky R
Tahirin-tsary
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT