Sosialy

Asa sosialin`ny antoko Nanao didimpoitra faobe ny TIM


  • Alatsinainy 19 Aogositra 2019

Nanamaivana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny maro indray ny antoko Tiako I Madagasikara, ny sabotsy lasa teo.

 

 

Zazalahy miisa 20 mahery indray no vita didimpoitra maimaimpoana ao amin’ny boriborintany fahenina, kaominina Ambohimanarina sy ny manodidina. Nahazo ny anjara kilalaony avokoa ireo zazalahy ireo taorian’ny hetsika nataon’ny Jeunes TIM VI (boriborintany fahenina). Hitohy amin`ny volana ambony ny asa sosialy toy ny fanohanana sy ny fanampiana an`ireo mpianatra hanala fanadinam-panjakana amin`ny alalan`ny fampianarana maimaimpoana taranja toy ny informatika, teny anglisy sy frantsay… Nanentana hatrany i Lalaina Rabezanahary, mpanolotsain`ny tanànan`Antananarivo sady filohan`ny jeunes TIM VI, ireo mpianatra hanatona ny sekoly “Les Rossignols” raha mila fanampiana amin`izao ankatoky ny fanadinana izao satria voafetra ihany ny toerana. Hetsika santatra ambavarano ataon`ny antoko TIM izao hetsika izao. Nisaotra manokana ny CUA Antananarivo ny tenany nanome mpitsabo nahafahana nanatanteraka ny hetsika. Manaporofo hatrany ny antoko TIM fa  manatona ny vahoaka eny ifotony ary tsy maty ny antoko fa mijoro, hoy hatrany ny filohan`ny Jeunes TIM VI. Hitohy amin’ny kaominina hafa ny hetsika na ny asa sosialy ataon’ny antoko Tiako I Madagasikara

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT