Sosialy

Asa mendrika sy maharitra Mbola lavitra izany i Madagasikara


  • Zoma 08 Oktobra 2021

Nankalaza ny andro maneran-tany ho an’ny asa mendrika sy asa maharitra tetsy amin’ny biraony etsy Anjanahary omaly ny avy eo anivon’ny Firaisamben’ny sendika Malagasy revolisionera na FISEMARE.

 Tsy afa-misaraka izany asa mendrika sy maharitra izany, hoy izy ireo. Feno ny fepetra maha asa mendrika rehefa mipetraka ireto dia ny karama mahavelona, fiahiana ara-tsosialy, fiahiana ara-pahasalamana sy ny ambiny rehetra. Efa ela ny birao sy fandaminana iraisampirenena momba ny asa no nivoy izany. Mbola lavitra izany I Madagasikara satria betsaka ny tsy an’asa. Tsy manana politika mazava hahatongana amin’izany amin’ny alalan’ny minisitera mpiahy ny fitondram-panjakana. Isan’ny fomba iray hahatongavana amin’izany anefa, raha tiana ny ho tonga any, ny fanamboarana ny sata mifehy ny asa. Tsy ho tratra ny asa mendrika raha tsy ampanjakana ny dinika sosialy. Ny olana miverimberina matetika dia mbola tsy hita hoe tena mahavaha azy ve ny fanovana natao? Ny sata mifehy ny asa teo aloha tsy ratsy fa tsy nisy fampiharana. Tokony hisy atrikasa nasionaly ho karakarain’ny fanjakana handraisan’ny rehetra anjara mba tsy ho hevitry ny vitsy an’isa no hamolavolana ny sata vaovao mifehy ny asa Malagasy, hoy hatrany ny FISEMARE.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT