Asa maharitra ho an’Antananarivo

Tsy rendrarendra fa tena asa mitondra fivoarana


  • Alarobia 30 Oktobra 2024

Maro ny fotodrafitrasa vita tamin’ny alalan’ny AMA tao anatin’ny roa herinandro.

Jiro manazava tanàna sy elakelan-trano 400 isa no napetraka tany amina fokontany 12. Lavadrano 9 no nolavahana mba hanampiana ny mponina amin’ny olan’ny rano, lakandrano 8 no nosokirina sy nodiovina, nisy ny fanamboarana lalan-kely sy tetezana. Tsy natao ambanin-javatra ny fanabeazana fa dia sekoly tsy miankina 3 no novatsiana ordinateur portable mba ho fitarihana ny ankizy amin’ny fianarana informatika.Tafantsangana eny Faravohitra ny ivon-toerana ho an’ny tanora hanomezana fanofanana amina sehatra maro.Efa misy ordinateur portable miisa 100 miaraka amin’ny connexion internet. Tena zava-dehibe ho anay satria tena mitoetra fa tsy mandalo izao, hoy ireo mponina, nahitana taratra sahady ihany koa fa azo atao tsara ny maanpivoatra ny fiainan’ny isam-batan’olona sy mampandroso ny tanàna .Sady manome asa no manatsara ny endriky ny tanàna no mampianatra. Mbola hitohy amina sehatra hafa ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo

RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT