Asa Maharitra ho an’ Andranomanalina

Ho ritina ny rano mameno tanàna, ho avy ny jiro


  • Alatsinainy 21 Oktobra 2024

Nanomboka omaly alahady ny fanadiovana ireo lakandrano tsentsina ao amin'ny fokontany Andranomanalina

Afovoany sy Andranomanalina voalohany ao amin'ny boriboritany voalohany,niarahana tamin'ny kandida laharana faharoa eto Anrananarivo renivohitra Tahina Razafinjoelina. Araka ny maha Andranomanalina ity tanàna ity, hoy ireo mponina ao dia tsy misy fotoana tsy hirobohanaao rano. Na main-tany na fahavaratra dia dibo-drano foana io tanàna io. Efa maro ny tetikasa natao sy ny fampanantena nomen'ny mpitondra sy ireo mpanao politika nandalo tao fa mbola anaty rano foana ity tanàna ity. Ny farany teo ohatra dia nandalo nandresy lahatra ireo vahoaka hifidy azy nandritra ny fifidianana filohampirenena i Andry Rajoelina ,ary nilaza fa handefa milina "moto pompe" handritrana ny rano izy afaka andro vitsy. Hatramin'izao anefa tsy nisy tonga teny na dia nandatsa-bato ho azy tokoa aza ireo vahoaka tao. Talanjona noho izany ireo mponina ao Andranomanalina raha tonga nijery ny fanombohan'ny asa fanadiovana ny tatatra mirefy 400 metatra ny kandida laharana faha-2 Tahina Razafinjoelina. Izy izay tsy nampanantena fa tonga dia niasa avy hatrany. Marihina fa ireo vahoaka ihany no nanao ny asa fanadiovana ary karamaina isan'andro izy ireo amin'izany, ho fanamafisana ilay tanjon'ity kandida ity hoe "Asa Maharitra ho an'Antananarivo". Nambaran'ny kandida Tahina manoloana ireo olona tonga niresaka taminy androany teny Andranomanalina fa fomba fanaovana fampielezan-kevitra vaovao no ho entiny fa tsy toy ny an'ny hafa, nahazatra hatrizay. Aleo hoy izy tsy abadoana amin'ny rendrarendra sy seho ivelany intsony no vahoakan'Antananarivo fa ny mahasoa azy sy ny zanany no andeha omena azy. Noho ny fiakaran'ny rano maloto eto Andranomanalina izao, hoy hatrany ity kandida ity dia maro ireo ankizy no marary kibo, mandoa sy mivalana. Dia koveta sy akanjo ve no omena azy ? Izay indrindra hoy izy no nahatonga anay nanakarama ireo olona tsy an'asa ireo hanao izao asa fanadiovana izao. Ary rahampitso alatsinainy dia hanolotra moto pompe hitrohana tanteraka ny rano izy sy ireo mpiara-miasa aminy. Ankoatran’izay moa nangataka ny hametrahana jiro mandeha amin'ny herin'ny masoandro ihany koa ireo mponina ao amin'io fokontany io ka nampanantena avy hatrany i zoky Tahina fa ny alatsinainy hariva izao ihany dia efa ho apetaka ireo jiro any anelakelan-trano rehetra.Asa fa tsy rendrarendra.
Nangonin’i Solotiana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT