Sosialy

Asa fihariana atody ao Mahitsy Ny 30 %-n’ireo mpandraharaha ihany no mandoa hetra ara-dalàna


  • Alatsinainy 29 Jolay 2019

Mitaraina ny amin’ny hafitsok’ireo mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny atody ao amin’ny faritra iadidiany ny kaominina Mahitsy.

 

 

 

 Araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Rakotovao Andriambololona dia ny 30 %-n’izy ireo monja no mahefa ny tamberim-bidy amin’ny kaominina ka raha tokony ho 5 hetsy Ar isam-bolana no vola aloan’izy ireo dia lasa ny antsasany sisa. Amin’ny ankapobeny anefa dia mamoaka atody 3 alina isan’andro ny ao Mahitsy havoaka hanenjehana ireo tsena anatiny, ka anisan’ireny ny ao Antanetibe Mahazaza. Misy amin’ireo mpandraharaha no mamoaka izany vao maraim-be amin’ny 1 ora maraina ka tsy hitan’ny kaominina sy ireo mpanara-maso. Mangataka ny hampitomboina ho sivy ireo polisy monisipaly ao aminy ny kaominina raha roa ihany no misy amin’izao fotoana. Mikasika ny fandriampahalemana indray dia fantatra fa efa milamindamina ny ao amin’ny kaominina Mahitsy ankehitriny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT