Sosialy

Asa fanasoavana Teny Antanimora i Bodo


  • Alakamisy 14 Martsa 2019

Ho tohin’ny asa efa fananganana trano famakiam-boky efa nataony tamin’ny taona 2005-2006 dia tonga nanohy ny asa fanasoavana ireo vehivavy sy ankizy voafonja etsy amin’ny fonjaben’Antanimora omaly i Bodo sy ny fikambanana misy azy.

 

 

 Bisikoitra, boky fianarana mahandro sakafo sy fianarana manjaitra, akanjo, savony sy vovon-tsavony niampy fotsim-bary sy siramamy tamin’ny kitapo maromaro no natolony tamin’izany ho fampaherezana ireo  vehivavy voafonja mahatratra 400 isa miampy ireo zanany kely tsy manan-tsiny miisa 22. 15 taona no zandriny indrindra amin’ireo vehivavy ireo raha 70 taona no zokiny indrindra. Efa-taona kosa no zokiny indrindra amin’ireo ankizikely izay fantatra fa tsy manan-kavana afaka hitaiza azy ety ivelany  ka tsy maintsy mijanona miaraka amin-dReniny ao amin’ny fonja saingy mianatra any amin-dry masera kosa. Tanjon’i Bodo mpihira amin’izao hetsika nataony izao raha araka ny fanazavany ny mba hahafahana manamaivana ny vesatry ny fiaraha-monina amin’ny fikarakarana ny voafonja no sady fanomanana azy ireny hiverina eny anivon’ny fiaraha-monina sahady. Nomarihin’ity mpanankato  sady Renim-pianakaviana ity manokana moa fa anisan’ny zavatra tsikariny ny fitombon’ireo voafonja tazonina ao amin’ny fonjaben’Antanimora. Tafiditra ao anatin’izany ireo zaza tsy manan-tsiny izay nahitsiny fa tokony hojerena manokana satria tsy toerana sahaza azy ireny ny eny am-ponja. Tsiahivina moa fa lisitra faharoa hirotsaka hofidiana ho solombavambahoaka ao amin’ny Boriborintany fahatelo i Bodo mpihira.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT