Sosialy

Asa fanaovan-gazety Nodimandry i Jacob Andriambelo


  • Alatsinainy 03 Febroary 2020

Nodimandry ny faran’ny herinandro lasa teo ny mpanao gazety zokiolona Jacob Andriambelo.

 

 

Teo amin’ny faha-79 taona izy izao lasa izao. Anisan’ireo andrarezin’ny asa fanaovan-gazety nanomboka tany amin’ny taona 60, ary nikoizana izy tamin’ny asa sorany fahavelony. Tia mandalina ny raharaham-pirenena, ka nanehoany hevitra ohatra ny raharaha famonoana ny Kolonely Ratsimandrava. Tena mampalahelo ny milaza azy, fa tsy ho fantatra mihitsy, ary tsy ho fantatra mihitsy ny olona namono azy… Anisan’ny tsy tia azy ny Frantsay”, hoy izy ny 12 febroary 2018. Nitana andraikitra maro tamin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety satria efa tompon’andraikitra tao amin’ny gazety « Le Courrier de Madagascar », « Journal de Madagascar », « Madagascar Matin »,… Efa nitondra sy nizara ny traikefany sy ny fahaiza-manaony tato amin’ny gazety Tia Tanindrazana ihany koa ity andrarezin’ny asa fanaovan-gazety ity, izay tena tia nizara sy nampianatra ity. Isika eto amin’ny Gazety Tia Tanindrazana dia miray fo sy miombona alahelo, ary mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’i Jacob Andriambelo manontolo.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT