Sosialy

Asa fanaovan-gazety Nodimandry i Faly


  • Alatsinainy 24 Oktobra 2022

Misaona indray ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Nodimandry omaly teo amin’ny faha-65 taonany ny namana mpanao gazety, Rafalimpanantsoa Andrianirina Sarah na “Faly” no ahalalan’ny besinimaro azy.

Nantelin’ny fahafatesana rehefa tojo tsy fahasalamana ka nanaraka fitsaboana, saingy izao nitondra azy any amin’ny vary tsy mifody izao. Mpanao gazety feno tanteraka izy satria efa niasa tamin’ny fahitalavitra sy onjam-peo ary gazety an-tsoratra. Nanovo fianarana sy namarana izany tany Allemagne ny tenany, ary nanomboka nisehatra tamin’ny asa fanaovan-gazety tao amin’ny BBC tany amin’ny taona 1980, efa niasa tao ao amin’ny RNM , Tribune, Courrier de Madagascar, Télévision RECORD, JDM. Nanampy tamin'ny fanoratana tao amin'ny gazety hafa toy ny L’Observateur, Madagascar Matin sy ny RVS, gazety Sagesse Al Hikmat, Gazety Mahita ary farany teo dia ny gazety Les Nouvelles. Olona tsotra sy be vazivazy no ahalalan’ny rehetra azy, ary tena nizara zavatra betsaka tamin’ireo zandry zanaka amin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Ny alarobia 26 oktobra izaon amin’ny 12 ora atoandro aorian’ny fotoam-pivavahana hanomezam-boninahitra an’Andrimanitra no hiala eny amin’ny toeram-ponenany eny Tsarafara Sabotsy namehana ny nofo mangatsiakany, ary halevina eny amin’ny fasan-drazany Ambatofotsy Sabotsy Namehana ihany. Miombona alahelo, ary mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviany manontolo isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT