Sosialy

Asa fanandevozana vehivavy ny 70 %-n’ireo lasibatra


  • Zoma 26 Oktobra 2018

Mahatratra 150 tapitrisa ireo olona hiharan’ny asa fanandevozana sy ny tsy fanajana ny zon’olombelona maneran-tany raha araka ny fanazavana azo omaly tetsy amin’ny Carlton Anosy.

 

 

 Ny 70 %-n’izy ireo dia vehivavy avokoa ka anisan’ireny ireo alefa miasa an-tsokosoko any  ivelany toy ireo miasa any amin’ny firenena Arabo…Tsy hanaiky ireny karazana tranga ireny intsony ny Fitondram-panjakana, hoy ny praiminisitra Ntsay Christian fa tsy maintsy hiady amin’izany miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka maro isan-tsokajiny toy ny OIT, ny UNICEF, ny OIM ary ny HCDH. Ho an’ny fampiasana zaza tsy ampy taona, ohatra, dia nambaran’ny praiminisitra fa efa nihena hatrany amin’ny 9,6 % ny salan’isan’ireo ankizy voakasika tamin’ny taona 2016 raha nahatratra 16 %  tamin’ny taona 2000.  Tany amin’ny sehatry ny lavanila sy lodsia no tena nahitana betsaka izany ankoatra ireo  terena hanambady mialoha ny fotoana. Ho an’ny fandefasana mpiasa mankany ivelany indray, indrindra fa ny vehivavy dia nanamafy ny minisitry ny asa sy ny asam-panjakana Atoa Pierre Holdera omaly fa efa eo am-pitadiavana vahaolana mifandraika amin’izany ny Fitondram-panjakana ankehitriny. Efa nandalo ny filankevitry ny minisitra izany, hoy izy ka misy ny volavolan-dalàna miisa enina alefa holaniana eny anivon’ny Antenimeram-pirenena. Tafiditra ao anatin’ireo volavolan-dalàna enina ireo ny  lalàna mifehy ny fandefasana mpiasa mankany ivelany sy ny fiarovana ny zon’izy ireny. Ao koa ny fampiasana zaza tsy ampy taona . Tontosa omaly ny atrikasa nokarakarain’ny primatiora nentina nandinihina sy hanatsarana ny asa fanandevozana olona eto amintsika.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT