Sosialy

Asa fanandevozana Betsaka ireo mbola miaina aminy eto amintsika


  • Alakamisy 21 Febroary 2019

Betsaka ireo olona mbola miaina anaty asa fanandevozana eto amintsika. Ireo olona sahirana amin’ny ankapobeny no tena mahita faisana, toy ireo ankizy miasa an-trano tsy afa-mianatra intsony noho ny fahasahiranan’ireo ray aman-dreniny…

 

 

 

 

Ho an’i Niry, tovovavy kely iray miasa an-trano eny Atsimondrano eny dia nambarany fa vao 10 taona monja izy dia efa niasa taman’olona satria kamboty. Niainga tamina 5.000 Ar ny karamany  ary  tsy mihoatra ny 30.000 Ar mandraka ankehitriny.  16 taona izao i Niry. Tokantrano telo no efa noteteziny. Iray tamin’ireo ihany anefa no mba tsara fanahy, hoy izy,  fa ny ankoatra izay dia tsy manome sakafo azy amin’ny alina sady tsy mampatory azy rehefa sendra marary ny zanaky ny mpampiasa. Mangidy ny tsy manana, hoy i Niry, saingy tsy maintsy mihafy. Amin’ny ankapobeny anefa dia tokony ho 155.523 Ar no karama farany ambany indrindra ho an’ny mpanampy an-trano, mpanao zaridaina ary ny receveur. Nankalazaina afaka omaly  alarobia 20 febroary ny andro maneran-tany ho an’ny fitsarana ara-tsosialy. Nanomboka tamin’ny taona 2009 izy io no nankalazaina maneran-tany ka ny tanjona dia ny hahafahana miady amin’ny tsy fananan’asa sy ny fahantrana hanafoanana ny asa fanandevozana. Toraka izany koa ny fitsarana tsy mitanila, ny fitovian-jo ary ny fahafahana miteny sy maneho hevitra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT