Sosialy

Asa fampandrosoana ao Talatamaty Nihaona mivantana tamin’ny vahoaka ny Ben’ny tanàna


  • Zoma 06 Janoary 2023

Ilaina ny fifampiresahana mivantana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra indrindra raha resaka fampandrosoana no asian-teny.

Mba manana ny heviny sy ny hetahetany ihany koa mantsy ireny vahoaka eny ifotony ireny indrindra amin’izao fiandohan’ny taona vaovao izao. Noho izay antony izay indrindra no nanosika ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Talatamaty Raharinoasy Elie Dominic niakatra teny an-tampon-tanànasy teny an-tsena niarahaba mivantana ireo vahoaka no sady nihaino ny hetahetany. Omaly no nanatanterahany izany no sady nanentanana ireo tanora feno 18 taona ihany koa mba hirodorodo hanamboatra kara-panondrom-pirenena hahafahana miatrika ny fifidianana amin’ity taona 2023 ity. Amin’ny 14 janoary ho avy izao no fotoana voatondro hanatontosan’ity kaominina ity izany izay marihina fa maimaimpoana avokoa. Marihina moa fa mbola maro ireo tanora feno 18 taona tsy manana karapanondrom-pirenena eto amintsika. Misy amin’izy ireny mantsy no vao feno 18 taona tamin’ny volana desambra teo mihitsy.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fidinanana ifotony notanterahin’ny Ben’ny tanàna
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT