Sosialy

Asa eny anivon’ny orinasa Ho vitan’ny solosaina misaina ny 30% amin’ny taona 2023


  • Alakamisy 24 Oktobra 2019

Tsy mitsaha-mivoatra ny teknolojia maneran-tany. Tafiditra ao anatin’izany isika eto Madagasikara.

 

             

Amin’ny taona 2023 mantsy raha araka ny fanazavan-dRakotondrahaja talen’ny ivontoerana “Arkeup  academy” aty amin’ny ranomasim-be Indiana dia ho vitan’ny solosaina misaina na ilay antsoina hoe  : “intelligence artificielle” ny 30 %-n’ny asa eny anivon’ny orinasa. Anisan’izany ny fandraisana ny antson’ireo mpanjifa amin’ny alalan’ny antso an-tariby, ny famaliana ny mailaka, ny fanamboarana faktiora sy ny famaliana izany izay mbola betsaka ireo orinasa no tsy mahalala.Tsy midika anefa  izany fa tsy ilaina ny olona fa  hanampy azy ireny aza ny solosaina  mba hanamaivanana ny asany. Notanterahina teny amin’ny Etech Madagascar eny Ambohimanarina omaly ilay kaonferansa iraisam-pirenena momba ity solosaina misaina ity. Ankoatra ireo sekoly ambony maro izay tonga nandray anjara dia tazana teny an-toerana ihany koa ireo manampahaizana avy amin’ny google, Atoa Marc Rakotomalala, izay nianatra manokana ny intelligence artificielle ary efa niofana tany Etazonia…Tanjona amin’izao kaonferansa izao ny hanampiana ny orinasa hirotsaka an-tsehatra amin’ny fampiasana ny teknolojia avo lenta hiarovana ny tombontsoa mety ho azon’izy ireo tsy ho very.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT