Sosialy

Asa eny anivon’ny kaominina Teknisianina 20 nahazo fiofanana teto Analamanga


  • Alarobia 26 Septambra 2018

Mbola mila fanatsarana be dia be ny asa eny anivon’ny kaominina ankehitriny, indrindra fa ny any ambanivohitra.

 

 

 

 

 

Izany indrindra no antom-pisian’ny fiaraha-miasa eo anivon’ny Prodecid sy ny minisiteran’ny atitany izay vatsian’ny firenena Alemana vola. Kaominina miisa 80 no miara-miasa amin’izy ireo eto amintsika misandraka amina faritra telo dia ny Faritra Analamanga, DIANA ary Boeny. Ho an’ny Faritra Analamanga manokana dia miisa 40 ireo kaominina mahazo tombontsoa amin’izany ka anisan’ireny ny fanofanana ireo teknisianina momba ny fikarakarana ny antontan-taratasy eny anivon’ny kaominina, ny fampirimana azy, ny fomba famoahana ireo kopia mari-pahaterahan’ny mponina tsirairay avy izay naharitra tokoa ny fotoana lany teo aloha… Teknisianina miisa 20 indray no navoaka tamim-pomba ofisialy omaly rehefa nahavita ny fiofanana narahina fanolorana fitaovana. Tanjona  ny hahafahana manana kaominina vonon-kiasa ho an’ny mponina ao amin’ny Faritra misy azy tokoa. Tsy nijanona teo ny fanofanana amin’ny fikirakirana antontan-taratasy ny hetsika fa niitatra tamina fanofanana momba ny fampidiram-bola eny anivon’ny kaominina ka anisan’ireny ireo karazana paikady hampiasaina amin’ny  fomba fitakiana ny hetra.

Pati

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT