Sosialy

Asa an-tsambo Malalaka ny tsena ho an’ny Malagasy


  • Zoma 19 Oktobra 2018

Notanterahina tetsy amin’ny Pavé Antaninarenina omaly ny fifantenana farany ireo Malagasy afaka hanam-bintana ho tonga mpiasa anatin’irony sambo mpivezivezy na “Bateau de croisière” irony.

 

 

 Araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny fikambanana iraisampirenena Two healing hands eto Madagasikara, Zenaide Rahantamalala, dia efa nisy fifantenana in-droa miantoana izy ity. Miisa 180 teo ho eo tany am-boalohany ireo nofantenana ary latsaky ny 60 kosa ireo tena ho voaray. Mbola handalo fiofanana 4 herinandro any Londre indray moa ireo voafantina farany mialohan’ny hamonjen’izy ireo ao Miami, raha ny fanazavana. Nisy ireo delegasionina avy ao Maorisy sy afrika atsimo mihitsy nifantina azy ireo omaly. Mbola malalaka ny tsena mikasika izay resaka asa an-tsambo izay, hoy ny fanazavana, ary raha ny mikasika ireo karazana asa tadiavina amin’izany dia saika talentan’ny Malagasy avokoa toy ny fikoloana hoho, ny taovolo, ny fampihenam-batana, ny haitava (esthétique) ary ny “spa terrapeute” na fanajarian-tsaina. Mila mahay teny anglisy sy ny tontolon’ny sambo kosa anefa. Manodidina ny 3.000 dolara isam-bolana kosa amin’ny ankapobeny ny karaman’ireo Malagasy miasa anatin’izy ireny, raha ny fanazavana, ary hatreto aloha dia tsy misy antoka azon’ireo mpifantina omena afa-tsy ny hoe an-taratasy mazava ny fifanarahana. Mampanahy ny Malagasy indrindra, rahateo izay resaka fiantohan’aina izay raha ny vaovao mikasika ireo mpiasa Malagasy any ivelany toy ny any Koweit izay matetika matimaty foana ary tsy misy tohiny avy eo ny fanadihadiana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT