Sosialy

Asa an-trano Ilana traikefa na dia tsy mitaky diplaoma aza


  • Alakamisy 03 Janoary 2019

Ilana traikefa ny asa an-trano na dia tsy ilana diplaoma aza. Anisan’ny tsiambaratelon’ny faharetan’ny asa izany amin’ny ankapobeny ankoatra ny resaka fahadiovana sy ny fahaizana mifampitondra amin’ilay mpampiasa.

 

 

 

 Nahatsiaro manokana ireo mpanampy an-trano navoakany ny agence Ambinintsoa etsy Ambondrona. Mpiasa naharitra herintaona tamin’ny asa raha kely ny ankamaroan’izy ireo raha efa enina taona kosa ny sasany ary mbola amperin’asa. Fotsim-bary, menaka, paty no natolotra azy ireo narahin’ny fanaovana antsapaka ilay vola 1 hetsy Ar ho an’izay tsara vintana. Nambaran-dRamahakotroka Asmine, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny agence Ambinintsoa fa mandray olona vonona ny hiasa an-trano, hiambina… izy ireo ary manofana ireto farany mba ho mpiasa azo antoka. Tsy mandoa ariary ireto farany. Tsy mitaiza fanahy anefa izy ireo saingy kosa miezaka hatrany ny hamoaka olom-banona mba ho fanampiana ny isan-tokantrano. Tsiahivina fa afaka mifantina izay mpanampy tia hiara-konina aminy ny mpampiasa ao amin’ny agence Ambinintsoa ary hifanarahana eo imason’ny agence avokoa ny zavatra rehetra.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT