Sosialy

Arlette Ramaroson “Tsy tokony afenina raha sanatria efa tonga eto ny Coronavirus”


  • Zoma 20 Martsa 2020

Maro ny tsaho niely hatramin’ny omaly, indrindra tao anaty tambajotran-tserasera facebook fa efa misy olona tratra ilay aretina coronavirus eto amintsika.

 

 

 Naneho ny heviny mahakasika izany Rtoa Arlette Ramaroson izay mpitsara iraisam-pirenena. Nambarany tamin’izany fa raha sanatria ka efa tonga eto amintsika marina  ity areti-mandoza ity dia tsy tokony afenina hahafahan’ny rehetra mitandrina sy mandray fepetra. Ho an’ireo mpatory an-dalana ohatra dia nomarihiny manokana fa tokony hatokana amina trano mahazaka olona 6 isanisany izy ireny. Ho an’ireo mpivezivezy eny Behoririka sy Analakely dia tokony hisy ihany koa ny fepetra horaisina hoy izy mba hiarovana ilay aretina tsy hifindra. Ankoatra izay dia naneho ny heviny ihany koa izy mikasika ny mety hisian’ny fiantraikany ratsy ara-toekarena eto amintsika raha sanatria ka tsy maintsy hitoka-monina isika noho ity areti-mandoza ity ihany. Notsindriany tamin’izany fa ny fahasalaman’ny vahoaka aloha no lohalaharana raha izany rahateo no faritan’ny lalana iraisam-pirenena. Ny resaka toe-karena hoy izy hiara-mizaka ny fitontonganany, eny fa na dia ho an’ireo firenen-dehibe maneran-tany indrindra aza.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT