Nanamarika ny Tale jeneralin’ny orinasa Fanalamanga, Rakotonirina Augustin fa tsy misy atahorana fa tena mbola ampy tsara ny arina avoakan’ny orinasa amin’ny faritra telo dia Antananarivo, Toamasina ary Moramanga.
Anton’ny tsy fisiana sy ny fisondrotam-bidin’ny arina fandrehitra eto Antananarivo dia ny fikatonan’ny orinasa fanalamanga isan-taona noho ny fialantsasatra faobe izay maharitra 2 herinandro. Nanambara ny tenany fa tsy vaovao izany ary efa fantatry ny mpisehatra rehetra fa isan-taona dia misy hatrany io ka tokony ho efa niomanana hamoahana vokatra betsaka hiatrehana ny tsena anatiny. Raha momba ny zava-tsarotra sedrain’ny orinasa indray dia nanazava izy fa tahaka ny orinasam-panjakana izay miasa amin’ny velarantany lehibe rehetra dia misy hatrany ny olana. Anisan’ny lehibe amin’izany ny fandaminana ny eo amin’ny fananan-tany ary ny fahapotehan’ny lalana hamoaham-bokatra. Efa misy ihany ny fandraisan’andraikitra sy fampitaovana teo anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny mponina ary ny ala izay tsy niezahan’ny orinasa tsy nidirana mihitsy saingy mbola ilàna ezaka goavana, hoy izy. Manoloana indray ny fielezan’ny resaka mandeha milaza fa mibodo tany ny orinasa Fanalamanga dia nanambara ny Tale jeneraly fa ny tany izay an’ny orinasa dia tsy maintsy miverina aminy ihany ary izay tsy azy kosa dia tsy nokasihany mihitsy. Efa voafaritry ny fehezan-dalàna tamin’ny taona 1974 ihany koa ny velaran-tany 200 000 Ha nomen’ny fanjakana iasan’ny orinasa. Nanamarika ihany koa ny tenany fa kesika sy kininina ihany no anaovana arina mivoaka avy ao amin’ny orinasa ary tsy vatan-kazo no ampiasaina fa ireo ambin-kazo sy rotsa-kazo ary sisin-kazo mba ho fitsinjovana ny tsy fahampian’ny hazo ilaina eto Madagasikara. Nitondrany fanazavana ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa sinoa ka nilazany fa hatreto dia tsy nisy orinasa sinoa nitrandraka arina tao amin’ny orinasa Fanalamanga fa gasy 100% no ao. Nijanona teo amin’ny fambolena hazo kininina haingam-pitombo, ny fanodinana ny kesika, ny fambolena holatra ary ny fitrandrahana ditinkazo ihany ny fiaraha-miasa amin’ny sinoa.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.