Sosialy

Arina fandrehitra Ny hetra alaina no tena mampikolay ireo mpaka any am-potony


  • Alakamisy 05 Aogositra 2021

Tena nampikolay ny rehetra, indrindra fa ho an’ireo tokantrano mampiasa arina fandrehitra tato anatin’ny andro maromaro izao ny fidangan’ny vidin’ity akora ilaina amin’ny fandrahoan-tsakafo ity eny an-tsena.


 Tafakatra 55.000 Ar mantsy ny iray gony lehibe ho an’ny teto an-drenivohitra raha novidiana 26.000 Ar izany teo aloha. Tsy fotoam-pahavaratra anefa izao ka mety hahatapaka ny lalana hakana azy ireny na koa misy orana ka mety hamono ny afo hanamboarana ny arina fandrehitra. Ekena fa misy ireo lalana ratsy saingy na izany aza tsy tokony hisy kosa ny fanararaotana mihoampampana tahaka izany. Rehefa nanontaniana ireo mpanao arina fandrehitra any am-potony dia fantatra fa mamatsy arina fandrehitra ara-dalana toy ny mahazatra hatrany izy ireo. Olana kosa anefa ny fidangan’ny hetra alaina amin’izy ireo indrindra fa ny eny an-dalana na ilay antsoina hoe : ristourne. Tsy avy aminay kosa hoy izy ireo ny hataon’ ireo mpijirika rehefa tonga ny entana na ilay antsoina hoe : mpanera. Na izany aza anefa dia tsy tokony hidanganabe tahaka izany kosa ny vidin’ny arina fandrehitra . Rehefa nanontaniana kosa anefa ny mpivarotra arina fandrehitra iray teto an-drenivohitra dia nambarany fa mba miaka-bidy ihany koa hono ny saribao rehefa miaka-bidy ny kojakoja ilaina rehetra amin’ny fiainana andavanandro. Dia tsy hisy intsony araka izany ny fifampitsinjovana eo amin’ny samy mpiara-belona raha tahaka izany avokoa no toe-tsaina ho enti-miatrika ity fiainana efa tena sarotra ity.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT