Sosialy

Arina fandrehitra Niakatra 3000 Ar isaky ny gony sahady ny vidiny


  • Zoma 05 Janoary 2018

Ankoatra ny fiakaran’ny vidim-bary eny an-tsena izay efa mahatratra 730 Ar ny iray kapoaka hatramin’ny omaly dia nahitana fiakarany 3.000 Ar isaky ny gony iray ihany koa ny vidin’ny arina fandrehitra eto an-drenivohitra.

Noho ny tsy fisian’ny arina miakatra avy any am-potony  noho ny haratsian-dalana ateraky ny rotsak’orana no voalaza fa antony mahatonga izany. Ho an’ireo arina fandrehitra namidy 12.000 Ar teo aloha ohatra dia efa tafakatra 15.000 Ar izany ankehitriny dia tahaka izany hatrany. Tsy vitsy tamin’ireo mpanjifa noho izany no velon-taraina, indrindra fa ireo mividy an-tsinjarany. Nisy tamin’ireo mpivarotra sasany mantsy no tsy nanome arina 200 Ar toy ny teo aloha intsony ny iray famarana  fa avy hatrany dia nampiakatra izany ho 500 Ar  no sady mbola mando ihany koa. Nanambara moa ireo mpivarotra nanaovanay fanadihadiana fa raha tafiditra marina ao Toamasina anio zoma  ilay rivo-doza AVA dia mbola mety hiakatra hatrany ny vidin’ny arina fandrehitra satria tsy hisy kamiao hiakatra intsony eto an-drenivohitra. Avy any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny rahateo ny ankamaroan’ireo arina hamidy eto an-drenivohitra, hoy hatrany izy ireo. Ho mafimafy ho an’ny tokantrano Malagasy sahady araka izany no hiatrika ity volana Janoary ity noho ny fiakaran’ny vidin’entana eny an-tsena sy ireo karazana kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT