Sosialy

Aretina pesta 7 ireo namoy ny ainy tao anatin’ny fito volana


  • Alakamisy 20 Febroary 2020

Olona iray indray tamin’ity volana febroary ity no namoy ny ainy vokatry ny aretina pesta atoditariana tany amin’ny distrikan’Ambositra.

 

 

 Ny havokavoka  no henjehiny raha sanatria ratsy tsabo ary amin’ny alalan’ny fofon’aina monja dia efa mifindra amin’ny manodidina, mahafaty ao anatin’ny telo na efatra andro monja. Fito kosa hatreto no totalin’ireo efa namoy ny ainy nanomboka ny volana aogositra lasa teo, hoy hatrany ny fanazavana azo raha am-polony maro ireo narary efa nahazo fanasitranana. Manoloana io tranga io dia efa nisy ny fepetra noraisin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka tamin’ireo fianakavian’ny maty sy ny manodidina azy. Anisan’ireny ny fanomezana fanafody, ny fanondrahana ranom-panafody mamono bibikely. Manao antso amin’ny rehetra hatrany ny minisitera mba tsy handoro tanety. Hanadio hatrany ny lobolobo ao an-tanàna ihany koa hisorohana ny voalavo tsy hiakatra an-tanety ankoatra ny fanatonana mpitsabo raha vantany vao mahita tranga hafahafa fa tsy hanao dokotera tenany.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT