Sosialy

Aretina mamany lava Vehivavy maherin’ny 50 no hiatrika fandidiana


  • Alakamisy 08 Aogositra 2019

Natomboka tamin’ny alatsinainy lasa teo ny hetsika hitsaboana ny aretina “mamany lava” any Ambovombe Androy ary hitohy mandritra ity volana aogositra ity.

 

 

Vehivavy maherin’ny 50 isa avy amin’ireo faritra 3 any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy no efa tonga tao an-tampon-tanànan’Ambovombe, mba hodidiana. Raha tsiahivina, ny aretina “mamany lava” dia mahatonga ny fivalanan-drano hikoriana ho azy. Azo avy amin’ny fahasarotam-pahaterahana izy io, saingy azo tsaboina tsara amin’ny alalan’ny fandidiana. Nanangana toerana handraisana an’ireo vehivavy ireo, any an-toerana, ny Tahirin’ny Fikambanana momba ny Mponina (UNFPA) ary mbola manantena fa hisy vehivavy hafa ho tonga hanatevin-daharana an’ireto vehivavy efa tonga any ireto. Raha araka ny tombana tokoa mantsy dia ahitana trangana “mamany lava” vaovao miisa 5.000 isan-taona eto amintsika. 1.000 isan-taona eo ho eo ihany anefa no vitan’ny hopitaly eto amintsika ny mandidy azy. Tafiditra ao anatin’ilay tetikasa antsoina hoe “tolisabo”, izay natomboka tamin’ny 18 jolay lasa teo ity hetsika fandidiana ny aretina mamany lava ity, iarahana amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka, ny UNFPA ary ny masoivohon’i Japana.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT